Acts 22

1“Ry rahalahy sy ry ray, henoy ny fiarovako izay hataoko aminareo ankehitriny.” 2Rehefa nandre an’i Paoly niteny tamin’ny teny Hebreo ireo vahoaka, dia lasa nangina izy ireo. Hoy izy hoe:

3“Jiosy aho, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa nobeazina teto amin’ ity tanàna ity teo amin’ny tongotr’i Gamaliela. Nampianarina araka ny fomba hentitry ny lalàn’ireo razantsika aho. Tena mafana fo ho an’Andriamanitra aho, tahaka anareo rehetra amin’izao andro izao. 4Nanenjika io Làlana io ho amin’ny fahafatesana aho, namatotra sy nanolotra azy ireo ho atao an-trano maizina na lahy na vavy, 5ary ny mpisorona be sy ireo loholona rehetra afaka mijoro vavolombelona. Naharay taratasy avy any amin’izy ireo aho ho an’ireo rahalahy any Damaskosy, ary nandeha nankany nitondra azy ireo niverina mbola mifatotra hankany Jerosalema mba hanasaziana azy ireo.

6Izao no niseho rehefa nandeha ary nanakaiky an’ny Damaskosy aho, ary tamin’ny mitataovovonana teo ho eo dia nisy hazavana lehibe avy any an-danitra nanomboka namiratra nanodidina ahy. 7Lavo tamin’ny tany aho ary nahare feo niteny tamiko hoe: ‘Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?’ 8Namaly aho hoe: ‘Iza moa ianao, Tompoko?’ Niteny tamiko Izy hoe: ‘Izaho no Jesosin’ny Nazareta, izay enjehinao.’

9Ireo izay niaraka tamiko dia nahita ny hazavana, fa izy ireo dia tsy nahafantatra ilay feony izay niteny tamiko. 10Hoy aho hoe: ‘Inona no tokony ataoko, Tompoko?’ Ny Tompo niteny tamiko hoe: ‘Mitsangàna ary midira any Damaskosy; any no hanambarana anao ny zava-drehetra izay tokony hataonao.’ 11Tsy nahita noho’ny famirapiratan’izany fahazavana izany aho, ary notantanan’ireo izay niaraka tamiko, ka dia tonga tany Damaskosy aho.

12Nihaona tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Ananiasy tany aho, lehilahy matahotra an’Andriamanitra nanaraka ny lalàna ary tsara laza teo amin’ireo Jiosy rehetra izay nipetraka tao. 13Nanatona ahy izy, nijoro teo anilako, ary niteny hoe: ‘Ry rahalahy Saoly, mahiràta.’ Tamin’izany ora izany indrindra dia nahita azy aho.

14Ary niteny izy hoe: ‘Ny Andriamanitr’ireo razantsika dia nifidy anao mba hahalala ny sitrapony, mba hahita ny Iray Marina, ary handre ny feo aloaky ny vavany. 15Fa ho vavolombelona ho Azy amin’ny olona rehetra momba izay hitanao sy renao ianao. 16Ary maninona ianao no miandry? Mitsangàna, aoka ho atao batisa, ary diovy ireo fahotanao, miantsoa amin’ny anarany.‘’

17Rehefa avy niverina tany Jerosalema aho, ary raha mbola nivavaka tao an-tempoly, dia nahazo tsindrimandry aho. 18Nahita Azy aho niteny tamiko hoe: ‘Malaky mialà an’i Jerosalema faingana, satria izy ireo tsy hanaiky ny fijoronao vavolombelona momba Ahy.’

19Hoy aho: ‘Tompo, izy ireo tenany dia mahafantatra fa izaho nanagadra sy nikapoka ireo izay nino Anao tao amin’ny synagoga rehetra. 20Rehefa nalatsaka ny ràn’i Stefana vavolombelonao, izaho koa dia mba nitsangana teo sy nanaiky, ary niambina ny fitafian’ireo izay namono azy aho.’ 21Fa niteny tamiko Izy hoe: ‘Mandehana, satria halefako lavitra an’ireo Jentilisa ianao.‘‘’

22Nihaino azy izy ireo mandra-piteniny izany. Dia nihiaka mafy izy ireo ary niteny hoe: “Vonoy hiala eto amin’ny tany ny lehilahy tahaka io, satria tsy mendriky ny ho velona izy.” 23Raha nitabataba izy ireo, nanipy ny akanjony, ary nanipy vovoka tamin’ny rivotra, 24ny lehiben’ny kapiteny dia nandidy an’i Paoly mba ho entina any amin’ny lapa. Izy nandidy fa tokony hadinina miaraka amin’ny kapoka izy, ka mba izy tenany dia hahalala hoe nahoana izy ireo no nihikiaka nanohitra azy toy izany.

25Rehefa namatotra azy tamin’ny kofehy hoditra izy ireo, dia hoy Paoly tamin’ilay kapiteny izay nitsangana teo: “Ara-dalàna ho anareo ve ny manakaravasy lehilahy izay Romana sy tsy mbola notsaraina akory? 26Rehefa naheno izany ilay kapiteny, dia nankany amin’ny lehiben’ny kapiteny izy ka nilaza azy, niteny hoe: “Inona izao ataonao izao? Fa mponin’ny Romana io lehilahy io.”

27Nanatona ilay lehiben’ny kapiteny ary niteny taminy hoe: “Teneno ahy, mponina Romana ve ianao?” Paoly namaly hoe: “Eny.” 28Ary namaly ilay lehiben’ny kapiteny hoe: “Tamin’ny vola be fotsiny no nahazoko io zom-pirenena io. Fa Paoly niteny hoe: “Nateraka ho mponin’ny Romana aho.” 29Ary nandao azy teo no ho eo ilay lehilahy izay nametra-panontaniana azy. Natahotra ihany koa ilay lehiben’ny kapiteny, rehefa fantany fa mponina Romana i Paoly, satria izy namatotra azy.

Ny ampitso, te hafantatra ny marina momba ireo fanendrikendrehan’ireo Jiosy nanohitra an’i Paoly ny lehiben’ny kapiteny. Ka novahany ireo fatotra ary nibaiko ireo mpisorona be sy ireo filan-kevitra rehetra mba hivory izy. Ary nitondra an’i Paoly nidina izy ary nametraka azy teo afovoan’izy ireo.

30

Copyright information for PltULB